SocialTsidika

Anosy Avaratra : Manameloka ny fihetsika tsy mendrika nataon’ny avy ao Sabotsy Namehana ny vahoaka ao Anosy Avaratra

Manohitra sy manameloka tanteraka ny fihetsika feno herisetra sy fireharehana nataon’ity ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Anosy Avaratra. Raha tsiahivina dia nikasi-tanana sy nandrahona ary nanopa ny mpiasan’ny kaominina Anosy Avaratra izy rehefa tsy nanaiky ny fizaran-tany nataon’ny kaominina Anosy Avaratra.

« Ny lalàna laharana 2010-0395 ny 10 jona 2020 dia milaza fa fahefan’ny FTM tanteraka ny manao ny fizaran-tanin’ny kaominana iray. Mazava sady araka ny lalàna noho izany ny karatra mikasika ny fizaran-tany izay navoakan’ny Foiben-taontsarintanin’i Madagasikara ny taona 2017 izay nasiam-panitsiana ny taona 2019 momban’ny faritra Anosy Avaratra. Io rahateo dia efa neken’ireo solotenam-panjakana : ny Lehiben’ny Distrika sy ireo solombavam-bahoaka voafidy teto Avaradrano » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. « Tsy ekena mihitsy ny fanimbana ny fananam-bahoaka sy ny faniratsirana ny mpiasan’ny kaominina toy ireny. Manameloka tanteraka izany fihetsika feno herisetra izany izahay » hoy i Hery, mponina ao Sabotsy Namehana. Ilaina noho izany ny fidiran’ny tompon’andraikitra an-tsehatra amin’ity raharaha ity mba hisian’ny filaminana.

Kaominina iray ihany mantsy izy roa ireto teo aloha ka tokony hiray hina hatrany amin’ny fampandrosoana an’Avaradrano.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire