Fomba fahiny: Misy dikany avokoa ny anarana
Taloha, raha vao teraka ny zaza dia anaram-poana aloha no omenaazy, toy ny hoe Koto, Bao, Lita, Boto, Bozy. Rehefa vita ny Alavolon-jaza dia omena anarana hafa indray izy. Tsy mbola io akory no anarana raikitra. Any amin’ny faha-13 na 14 taona any ny ankizy vao omena ny anarana entiny mihalehibe. Mbola miova indray io anarana io raha toa ka lehilahy izy, rehefa miteraka ny zanany voalohany. Ny anaran’ny zanany no tovonana hoe « Raini- » araka ny anarana efa rentsika ireny.
Noheverina ho fanalahidin’ny fanahin’ny olona manko ny anarana. Izany indrindra no tsy hanomezana azy ny anarana maha olona azy raha mbola kely izy. Tsy mbola olona izy amin’izay, ary tsy mbola hary fanahy sy saina. Misy aza manome anaran-dratsy, izay noheverina fa hampaharikoriko ny fanahy ratsy amin’ ilay zaza, ka tsy hanatonany azy. Efa lehibebe manampanahy, ampahalalaina ny tsara sy ny ratsy, ny fombafomba sy ny fadimpoko izy, afaka hiaro tena, na farafahakeliny hahatsiaro hitsimbin’aina, vao omena anarana.
Manomboka amin’ny « Ra- » ny anarana ho an’ny Merina, izay midika ho fanajana. Antsoina amin’ny fototra anarana tsy misy « Ra- » kosa ny ankizy mbola tsy henin-kaja. Misy kosa ny anarana miantomboka amin’ny « Andria ». Izany mari-panajàna izany kosa dia miray hevitra amin’ny hoe « Andriana ». Misy heviny avokoa ny anarana, raha ny finoan’ny Ntaolo fahiny.
Nicole Rafalimananjara
