SocialTsidika

Mananara Avaratra : Tafiakatra 7 000 ariary ny vidin-tsolika

Tafiakatra 7 000 ariary ny litatry ny lasantsy ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra, faritra Analanjirofo, amin’izao fotoana izao, raha 5 000 Ariary izany teo aloha. 5 500 ariary kosa ny gasoil, raha 3 800 ariary teo aloha ; 3 200 ariary ny solika fandrehitra, raha 3 000 ariary izany teo aloha.

« Tsy mifanalavitra amin’ny fiakaram-bidy ofisialy navoakan’ny fitondrana foibe ny 11 jolay teo io elanelana misy eto Mananara Avaratra. 1 700 ariary isaky ny litatra  mantsy ny gasoil ; 2 000 ariary isaky ny litatra ny lasantsy; ary 200 ariary kosa ny solika fandrehitra » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. « Ny fahasarotan’ny lalana RN 5 sy ny tsy fisian’ny tobin-tsolika no mampidangana ny vidin-tsolika eto amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Amin’ny alalan’ny sambo mantsy  no ahatongavan’ny solika » hoy ny mpandraharaha iray ao Mananara Avaratra.

Marihina fa ny mpandraharaha mpamongady no mivarotra sy mamaritra ny vidiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire