Sofia : Mitohy ny fampianarana an-tsekoly
Mitohy hatrany ny fampianarana ao amin’ny Faritra Sofia. Tsy voakasiky ny fanemorana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny 17 janoary akory ny faritra. « Nisalasala be izahay ray aman-dreny raha nandefa ny zanakay hianatra. Teo mantsy ny filazana fa nahemotra ny fidiran’ny mpianatra. Tsy nisy kosa anefa ny fanamafisana izany didy izany raha ny teto Sofia » hoy i Bodo, renim-pianakaviana monina ao Antsohihy.
« Tsy voakasik’ilay fanambarana momba ny fihemoran’ny fidiran’ny mpianatra ny ato amin’ny faritra Sofia. Tsy maintsy manaraka ireo fepetra sakana amin’ny valan’aretina covid-19 kosa ny sekoly tsirairay » hoy ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ao amin’ny faritra Sofia, Razafimandimby Rakotovao. « Mianatra foana ny mpianatra. Natsahatra kosa ny fanaovana ireo hetsika ara-panatanjahan-tena iraisana eto an-tsekoly » hoy ny talen-tsekoly iray ao amin’ny faritra.
Manaraka ny lamina apetraky ny CRCO kosa ny DREN Sofia rehetra raha misy ny fiovana. Hisy ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny mpianatra.
Nicole Rafalimananjara
