Toamasina: Ilaina ny fisafoana isak’alina amin’ny fampandriana ny fahalemana
Mandry fahalemana sy milamina ny manodidina ny cité Trano Mora sy Cité miaramila B5 Mangarano ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Izany no tanteraka dia taorian’ny fisafoana nataon’ireo miaramila avy ao amin’ny Rezimanta faharoan’ ny jenia miaramila ao amin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Pangalana.
« Izy ireo dia miara-miasa akaiky amin’ny andrimasompokonolona amin’ny fanantanterahana ny hetsika fampandriana fahalemana ny tanàna » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena. « Mankasitraka indrindra. Aleo tohizana foana ny fitsirihana amin’ny alina mba tena ho mandry fahalemana foana ny tanàna » hoy i Felana, monina ao amin’ny cité Trano Mora. « Ilaina foana ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny alina, mba hiarovana ny vahoaka satria ny alina tokoa no fanjakan’ny ratsy ka tokony manerana ny faritra rehetra mihitsy izany » hoy i Dina, mpianatra Sociologie eny amin’ny Ankatso.
Isan’ny olana lehibe eto amin’ny firenena tokoa ny tsy fandriam-pahalemana. Mila jerena akaiky izy io mba hisian’ny filaminana. Ny rehetra mihitsy no tena tokony handray ny andraikiny manoloana izany. Tanjona iombonana io na dia efa misy aza ny napetraka hiandraikitra izany.
Nicole Rafalimananjara
