Etats-Unis : Hotontosaina ny 26 aogositra izao ny fifandonana eo amin’i Mark Zuckerberg sy Elon Musk
Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny volana jona teo i Mark Zuckerberg sy Elon Musk no nanao fanazaran-tena manoloana ity fifandonana eo amin’ny taranja MMA ity. Mpanao haiady sangany samihafa toy i Lex Fridman no nanampy azy ireo tao an’izany. Tany am-piandohana dia noheverina ho vazivazy ihany io fifandonana io saingy namoaka daty izy ireo.
Raha ny tatitra amin’ny 26 jona izao no hotontosaina izany fifandonana izany. Raha ny fanamafisana dia hivantana amin’ny X (Twitter teo aloha) izany fihaonan’i Mark Zuckerberg sy Elon Musk izany. Efa misokatra kosa ny filokana amin’izany ary raha ny voalazan’ireo mpanefoefo roa ireo dia hatolotra ho an’ireo fikambanana manohana ny veterana « combattants » teo aloha ny volaza azo rehetra amin’izany.
