Masindray : Hisy ny faradoboka maimaim-poana ho an’ireo mpanala ny bakalorea
Hisy ny fampianarana, faradoboka maimai-poana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana BACC ao amin’ny kaominina Masindray. Ny zoma 14 jolay 2023 no hanatanterahana izany ary ny Club-Academy no hanolotra izany ao an-toerana, raha ny voalaza.
« Mitohy hatrany ny ezaka sy ny fanampiana ny mpiara-belona hataon’ny Club-Academy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Ao anatin’izany indrindra dia anatin’ny hafaliana hatrany no hivimbinana fanampiana ho an’ireo tanora eto amin’ny kaominina izay hanala ny fanadinana bakalorea » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fikambanana.
« Mandritra izay fampianarana izany dia ahita ireo paikady mahomby isan-taranja sy torohevitra mahasoa ankapobeny ho enti-miatrika ny fanadinana ireo mpianatra » hoy hatrany ny fanazavana.
Tsiahivina fa ankoatra izao fampianarana maimaim-poana atolotry ny Club Academy izao, dia mbola misy ihany koa ilay fanofanana ho an’ny tanora izay te ho lasa mpampianatra amin’ny ambaratonga fototra, izay hanentanan’ny tompon’andraikitra ireo liana hatrany.
Manitra R.
