La Réunion : 84,9% ny taham-pahafahana bakalorea manerana ny nosy
Nivaly omaly 4 jolay ny fanadinana bakalorea tao amin’ny nosy La Réunion. Raha tsiahivina dia mpianatra 11 998 isa no niatrika izany ary mahatratra 84,9% ny taham-pahafahana amin’ireo lalam-piofanana telo misy dia ny ankapobeny, teknolojia ary matihanina.
Nilatsaka io taha io raha noharina tamin’ny taon-dasa izay nahita taham-pahafahana 86,1% manerana ny nosy. Marihana kosa fa ao amin’ny nosy dia misy ny fanaovana « rattrapage » ho an’ireo tsy afaka. Manomboka androany 5 jolay izany ary tsy hifarana raha tsy ny 7 jolay. Amin’io andro ihany dia hivoaka ny valin’ny rahha ny fanazavana.
