PolitiqueTatitra

Filohan’ny hetsika ara-politika iray maty voatifitra

Maty nisy nitifitra ny talata 13 aprily lasa teo tao Bamako ny filoha amperinasa ny hetsika Azwad, izay iray amin’ireo mpitarika lehibe mpikomy teo aloha tany avaratr’i Mali. Brahim Ould Sidati,izay filoha mpandritra ity ny fikambanana ara-politika iray any an-toerana. Ny mpitondra tenin’ity fikambanana ara-politika iray ity no nanao fanambarana tao amin’ny tambajotra sosialiny fa nokendrena novonoina ity filohan’izy ireo ity. Anisan’ny nifanandrina tamin’ny tafika malianina izy ary niaraka tamin’ny fikambanan-tafika mahaleo tena sy ireo arabo nationalista tany an-toerana nanomboka tamin’ny taona 2012. Ny mpitsabo tao Mali no nanambara fa mbola tsy fantatra ny anton’ny famonoana azy ary mbola tsy fantatra ihany koa ny niketrika izao famonoana azy izao.

Laisser un commentaire