Cuba : Nanao fihetsiketsehana ny mponina noho ny fahatapahan-jiro lavareny
Mponina Kiobàna an-jatony maro no nidina an-dalambe tao Santiago de Cuba, any atsimo atsinanan’ity nosy ity, mba haneho ny hatezerany manoloana ny fahatapahan-jiro lavareny izay nitranga tamin’ny faran’ny herinandro teo. Hatramin’ny niandohan’ny volana martsa teo, miverina matetika ny fahatapahan-jiro tao amin’ity faritra ity, izany moa dia noho ny fisian’ny asa fikojana ao amin’ny toeram-pamokarana herinaratra ao amin’ny firenena ; ary manampy trotraka izany ny tsy fahampian’ny solika. Noho izany tsy fahampian’ny solika izany anefa dia miadana ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ao amin’izany toerana izany ka mahatonga ny fahatapahan-jiro maharitra sy miverina matetika.
