SocialTsidika

SECES : Mitaky porofo mazava amin’ny fanesorana ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina.

Nafàna tokoa ny tontolon’ny fampiarana ambony tato ho ato. Hita ho naneho hevitra mahakasika izany avokoa ny rehetra. Anisan’ny manafàna ny adi-hevitra ny resaka vatsim-pianarana izay mbola tsy ahitam-baholana mihitsy hatramin’izao. Saika nitodika tany amin’ny filohan’ny oniversite manana trangam-pikorotanana ny sain’ny maro. Vokatr’izany indrindra no namoahan’ny governemanta fanambaràna fa hoesorina amin’ny toerany ny filohan’ny oniversiten’ny Toamasina. Antony nanesorana azy amin’ny toerany ny tsy fahaizana mitantana, ny filazàna fa laniny tamin’ny zavatra hafa ny vatsim-pianarana tokony hositrahan’ny mpianatra. Tsy ela taorian’izay tatitry ny filan-kevitry ny minisitra izay no namoahan’ny teo anivon’ny fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (SECES) hevitra mahakasika ity fanesorana ity. Izy ireto izay hita fa nivoaka tamin’ny fahanginany raha toa ka tsy tazana naneho hevitra nandritran’ny fotoana fihetsiketsehana tao Toamasina. Navoitrany tamin’izany fa mangataka porofo mazava avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Mahakasika ny antony nanesorana ny filohan’ny oniversite izay nofidiana. Raha toa ka voamarin’ny porofo fa tena nisy tokoa ny fahadisoan’ity filoha ity, manaiky tanteraka ny fanesorana azy amin’ny toerany izy ireo, ka miroso amin’nyy fifidianana vaovao indray.Tsy mety kosa hoy ny SECES raha toa kosa ka fanendrikendrehana fotsiny no nanesorana azy amin’ny toerana. Lesona azo tsoahina ny hoe ilaina ny fanehoana ny mangarahara rehefa mitana sehatra iray mba hisorohana ny fanakianana sy ny fanesorana tahaka izao.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire