SocialTsidika

Mila jerena ny ny resaka sosialy alohan’ny zava-drehetra.

Sahirana ny vahoaka malagasy amin’izao, ny sosialy araka izany no tena mila fanarenana haingana mba hanavotana an’i Madagasikara. Izay aloha no hita ho laharam-pahamehana raha te hampandroso ny firenena. Marina fa teo ny krizy naterakin’ny valan’aretina fa kosa vao maika miha ratsy ny sehetra  sosialim-bahoaka. Ho fanavotana izany, natsangan’ny Fond d’Intervention pour le Developpement na FID ny tetik’asa « Ankohonana miatrika ». Prôgrama hatao amin’ny faritra 5 manerana ny Madagasikara anisan’izany faritra Vakinakaratra. Tetik’asa hizarana vola ho an’ireo tokatrano tsirairay. Vola mitentina 50 000 Ar no hozaraina isam-bolana mandritra ny dimy volana isakin’ny tokatrano. Raha ho an’ny Distrikan’Antsirabe I izao, 50 000 ankohonana no voaisa ary hisitraka io fanampiana io.  Toerana notondroin’ny Ministeran’ny mponina sy ny BNGRC (Bureau National de la Gestion des Risques et des Catastrophes) io mila tosika ara-tsosialy io. Mila izany avokoa ny faritra rehetra kanefa izay aloha ny lamina satria hita fa ireo ny faritra tena mila izany tohana izany bebe kokoa. Koa aoka samy hanaiky ny fandaminana isika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire