ActualitésTsidika

Alasora: Mitohy hatrany ny fisafoana ataon’ireo polisy amin’ny alina

Mitohy hatrany ny hetsika fisafoana ataon’n polisim-pirenena avy ao amin’ny commisariat ao Alasora. Ny hampandry fahalemana ny tanàna, ahafahan’ny vahoaka miaina sy matory am-pilaminana no anton’izany, araka ny voalaza.

« Miezaka mitety ireo fokontany amin’ny alalan’ny fanaovana fisafoana (patrouille) ny polisim-pirenena ary manakaiky ny vahoaka hatrany. Hanentanana ny rehetra ihany koa tsy hisalasala hiantso ny polisy raha misy ny tranga hafahafa » hoy ny avy amin’ny kaomisarian’ny polisy ao an-toerana.

« Zava-dehibe ny fiezahana amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna. Tsy tokony hiandry fitarainana anefa ny mpitandro filaminana vao mirotsaka an-tsehatra fa hanatanteraka izany matetika » hoy i Lova, mponina ao Alasora.

Mifandimby, miara-misalahy amin’ny fampandriana fahalemana avokoa ny polisy sy ny zandary ao amin’ny kaominina Alasora. Ao anatin’izy anefa, ilaina ihany koa ny fifanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra ahafahan’izy ireo manatratra ireo olona ratsy. Ny laharan-tariby 0340553108 sy ny 0340751719 no ahazoana ny polisim-pirenena.

Manitra R.

Laisser un commentaire