Ny firafitry ny ekipan’Ambohimangakely tamin’ny lalao famaranana
Efa napetraky ny Ekipan’Ambohimangakely dieny voalohany ireo paik’ady nahazoana ny amboaran’ny « Championat Inter-Communal Avaradrano ». Isan’ireo kaominina roa tafiakatra tamin’ny lalao famaranana mantsy i Ambohimangakely.
Niavaka ny ekipa teo amin’ny fandrafetana ny mpilalao. I Faneva no mpiandry tsato-kazo. Mpilalao efatra kosa no natao vodilaharana izay nisy an’i Lozitra teny ankavan’ny kianja, i Marquisse, i Georges (Lava) ary i Mahefa (Matuidi) kosa tery ankavia. Nasiana mpilalao roa hafa indray ny irakiraka nanaraka ny laharan’ny vodilaharana. Nahitana an’i Haja teny ankavanana ary I Christophe – kapiten’ny ekipa – no teny amin’ny ankavia. Napetraka teo alohan’ireo kosa ny irakiraka manaraka izay nisy mpilalao telo. Teny amin’ny ankavian’ny kianja no nisy an’i Kysta raha teny ankavanana kosa i Toky. I Rado no irakiraka mpanafika. I Rindra kosa no mpanafika.
