ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Azo aloha amin’ny Mvola ny saran’ny fakana fako amin’ny service Raoka fako

Miezaka manamora ny fisitrahan’ny mpanjifa ny service Raoka fako, ao amin’ny fokontany Gara kaominina Ambohimanambola. Amin’izao fotoana izao, efa azo aloha amin’ny alalan’ny finday ihany koa ny saran’ny fakana ny fako isan-tokantrano, amin’ny alalan’ny Mvola.

« Maro amin’ny mpanjifa no tsy dia manam-potoana amin’ny fandoavana ny vola fakana ny fako. Efa azo atao ny mandefa izany amin’ny alalan’ny mobile money, izay fomba tsotra sy azo antoka ary ampiasaina amin’ny fotoana rehetra » hoy ireo tomponandraikitra.

« Tena ilaina mihitsy ny tahaka izao hialana amin’ny fitakiana vola isan-tokatrano. Indraindray mety tsy mbola manana ny mpanjifa amin’ny fotoana fakana ny vola ka izao fampiasana ny fandefasam- bola amin’ny finday izao malalaka ny fandefasana izany » hoy i Harisoa, mponina ao Ambohimanambola.

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanamorana ny tolotra omena ny mpanjifa ao amin’ity service Raoka fako ity mba ahafahan’ny rehetra misitraka izany ampilaminanana.

Manitra R.

Laisser un commentaire