ActualitésTsidika

Tennis : Medaly volafotsy no azon’ny Madagasikara tamin’ny fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Afrika

Natao tany Lomé Togo ny fiadiana izay ho tompon-dakan’ny Afrika amin’ity taranja tennis ity izay nandraisan’ny Madagsikara anjara. Teo amin’ny toerana faharoa no nisy an’I Mahery Raoily sy i Mirija Andriantefihasina tamin’ny “double U14” rehefa avy resin’ny Tunisie tamin’ny isa 2/6 sy 2/6.

“Na dia teo amin’ny laharana faharoa aza ireto Ekipam-pirenena ireto dia tsy mahamenatra izany satria efa tsara ny vokatra nandritra nty lalao rehetra izay natao nanomboka ny 16 marsta teo. Efa naharesy ny Malianina tamin’ny lalao manasa-dalana ary naharesy an’ny Egypte ihany koa nandritra ny ampahefa-dalana”, hoy ny avy amin’ny Federsaiona Malagasin’ny Tennis.

Na dia teo aza ireo tsy fahombiazana sasany izay nahazo ireo mpilalao indrindra nandritra ny lalao an’olon-tokana dia izao tsy mitsanga-menatra izao hatrany. Nanamafy ny fanohanana azy ireo hatrany moa ireo mpankafy ity taranja ity. “Misaotra azy ireo mitondra mbony ny voninahi-pirenena. Misy ny lesona azo tsoahina avy amin’ireny lalao ireny ka tsy tokony hampalahelo izany. Manarina ary miezaka ho mafy kokoa amin’ny lalao manaraka. Efa tsara izany laharana faharoa izany mihoatra amin’ny ekipa maro be”, hoy ny solontenan’ireo mpankafy.

Marihina fa efa manana isa ambony ireto mpilalao antsika ireto raha oharina amin’ny fahaizan’izy ireo sy ny vokatry ny lalao izay nataony hatrizay. Nandritra ny fifanintsanana sady fanazaran-tena izay natao ny 11 ka hatramin’ny 14 marsa teo, dia tafakatra amin’ny ampahefa-dalana ny roa tonta, Laharana fahenina i Mahery Raoily tamin’ny fifaninanana tamin’ireo mpandray anjara 32, raha laharana fahafito kosa i Mirija Andriantefihasina.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire