Kolontsaina : Anio no hankalazaina ny taom-baovao Malagasy
Dépêche 22 mars, 11h, Anio 22 martsa no hanamarihana ny fiantombohan’ny taona vaovao ho an’ny Malagasy. Efa nanomboka ny aliny teo ny lanonana izay niatomboka tamin’ny alalan’ny fizarana ny afo tsy maty. Anio kosa ny fidiovana sy ny lanonana lehiba izay entina indrindra hanadratana fihavanana sy firaisan-kina. Nisy ihany koa ny fihinanana ny vary amin-dronono sy tantely ny maraina teo. Mbola maro ny Malagasy no tsy mankalaza ity fety ity izay tokony ho ampiana ihany ny serasera mahakasika izany izay kolontsaina mampiavaka ny Malagasy manokana.
