Fahatratrarana andramena avy any Fenoarivo Antsinanana
05 Novambra, 09h00. Andramena milanja 1, 5 taonina no saron’ ny zandary avy any Fenoarivo Antsinanana. Fisavana taxi- brousse tao Ambohimalaza no nahatratrana ity andramena ity. Natao saisie ny fiara ary olona roa dia ny mpamily sy ny tompon’ ny entana tratra no ho atolotra ny fampanoavana. Mbola mitohy ny fikarohana manokana ataon’ ny zandary ny naman’ ireo olona roa ireo sy izay rehetra nibata ny entana ho ao anaty fiara.
