Tsenaben’ny fizahan-tany.
05 Novambra, 11h00. Ny mpizahatany malagasy no ezahina sintonina sy sarihina mandritra ny hetsika « Tsenaben’ny fizahatany » andiany faha-4, ho tanterahina ny 11, 12 ary 13 novambra ho avy izao etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Kendren’ny mpikarakara hampirantiana mandritra ny hetsika ireo tolotra mifanandrify amin’ny hetahetan’ny Malagasy. Hisy ny fihenam-bidy hatramin’ny 40% amin’ireo tolotra haranty eny an-toerana. Nomarihin’ny mpikarakara fa anisan’ny tolotra azo jerena mandritra ny hetsika ireo karazana toerana tsy mbola maro mpitsidika na ireo toerana tsy mbola be mpahalala.
