Ankatso I: Nitokona noho ny fahatapahan-drano efa ho herinandro ireo mponina
01 Desambra, 09h00. Nambaran’ireto farany fa anisan’ny mankaleo azy ireo ny tsy fisian’ny vahaolana aroson’ny JIRAMA hamahana ity olan’ny rano mianjady amin’izy ireo ity. Efa ho herinandro mantsy izao no tapaka ny rano any an-toerana.
