Kaominina Belemoka: Tovolahy iray no maty voadaroky ny namany
Tovolahy iray no maty voadaroky ny namany noho ny resaka baolina kitra ny sabotsy lasa teo tao Tsaramandroso, kaominina Belemoka. Savorovoro noho ny fifampihantsiana teo amin’ireo mpilalao no fototry ny olana, tsy nahatanty ny mpilalao sasany ka nananga-tsandry. Vokany, naratra mafy ilay tovolahy iray ka noetina teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ainy.
