ActualitésTsidika

Fahadiovana : Miverina amin’ny laoniny ny fitaterana fako eny Andralanitra

Efa miverina amin’ny laoniny amin’izao fotoana izao ny fitaterana ny fako ho eny Andralanitra. Efa misy ny ezaka fanesorana ireo fako mivangongo ao Antananarivo Renivohitra. Tsiahivina fa nisy ny olana ara-teknika nianjady tamin’ny fitaovana lehibe fampiasa teny Andralanitra, izay nifanojo indrindra amin’ny vanimpotoanan’ny litchis sy ny garaba.

« Efa niverina amin’ny laoniny izany ankehitriny, ary efa miezaka mandrindra ny fanesorana ny fako nivangongo teny amin’ny toerana be olona ny SMA (Société Municipale d’Assainissement, ndlr). Mbola mitohy izany rindran-damina izany amin’ny fampiasana fitaovana manokana manampy amin’ny fandraofana fako » hoy ny tompon’andraikitra avy eo amin’ny SMA eo amin’ny Kaominina Antananarivo.

« Tena tsy ampy mihitsy ny daba-pako eto andrenivohitra, na dia ilay kely ireny aza, mba hitandroana ny fahadiovana indrindra amin’izao fotoanan’ny litchis izao. Tsy mahita daba-pako ny olona ka ariany eran’ny lalana ny voany » hoy i Sophie, mponina eny Tsimbazaza. « Tompon’andraikitra ny rehetra. Ny vahoaka tokony tsy hanary fako hafa-tsy amin’ny dapa-pako, ary ny kaominina miezaka manangona sy manary haingana ny fako » hoy i Hery, manam-pahaizana mikasika ny fahadioavana sy ny fidiovana.

Marihina fa misy ora ny fanariana fako, dia amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina, ka ny tokantrano tsirairay dia tokony hanana daba-pako azy manokana. Rahoviana vao tena hisy ny « Antananarivo madio » ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire