ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nahazo fotodrafitr’asa fanodinana diky ho lasa angovo fandrehitra

Notokanana ny 8 desambra teo ny fotodrafitr’asa hanodinana ireo diky ho lasa angovo fandrehitra. Tsy zavatra tokony ho ariana fotsiny ny diky fa tokony ho trandrahana foana ho azo ampiasaina.

« Samy mieritreritra isika fa tsy misy ilàna azy ny maloton’olombelona, hany ka ariana fotsiny. Ny any amin’ny faritra sasany aza dia avalan-drano mihitsy, kanefa tena azo trandrahina ary vidiana lafo mihitsy izany rehefa lasa angovo fandrehitra » hoy i Tojo, manam-pahaizana manokana mikasika ny angovo fandrehitra. « Voninahitra lehibe ho antsika eto Ambohimangakely mihitsy ny tahaka izao, entina hampandrosoana ny tanàna. Sady hitombo ny olona hanana asa no afaka misitrakat ombony amin’izany isika » hoy ny ben’ny tanàn’Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry.

« Isaorana ny kaominina sy ny ONG GRET tamin’izao asa ho an’Ambohimangakely izao, ary irariana mba tena hampandroso ny kaominina tokoa » hoy i Fenitra, mponina ao Ambohimangakely. Marihina fa ny « Agence Française de Développement (AFD) » no namatsy vola ity tetik’asa iray ity, izay entina hampandrosoana hatrany ny tanàna.

Tsy misy tokony ho very izany tokoa fa azo trandrahana tsara avokoa ny zava-drehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire