ActualitésTatitra

Népal : Ny toerana avo indrindra eto an-tany

Tendrombohitra iray ao amin’ny  Himalaya i Everest. Eo anelanelan’ny sisin-tanin’i Népal sy Chine no misy azy. Tamin’ny taona 1847 izy no tsikiaritry ny européen voalohany ary rehefa nodinihany nandritra ny taona maromaro izany dia noraiketiny ho tampon-kavoana avo indrindra maneran-tany izay mirefy 8 879 metatra.

Raha jerena lavitra dia toa tsy misy na inona na inona ny toerana nefa misy zava-maniry ao an-toerana. Rakotra ahitra sy bozaka amin’iny lemaka ambanin’i Everest iny. Miala 5000 metatra eo kosa no ahitana ny “Rhododendron nivale” izay zava-maniry tokana afaka mivelona amin’i toetrandro ao aminy io. Any amin’ny tampony any kosa no misy ireo Hippophae tibetana, Ephedra gerardiana, Juniperus indica, Dasiphora fruticosa, Gentiana ornata, Leontopodium jacotianum ary Meconopsis horridula.

Laisser un commentaire