ActualitésTsidika

Alasora : Nisy ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanàna sy ny Association MADAGASCAR ACTION SOLIDAIRE

Nisy ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina Alasora sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ny avy ao amin’ny association Madagascar Action Solidaire, ny faran’ny herinandro teo. Ity fikambanana ity izay miantoka ny fampisakafoanana eny amin’ireo EPP ao an-toerana, araka ny voalaza.

« Voaresaka tamin’izao fihaonana izao ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Ankoatra izay, nisongadina tamin’ny resaka nifanaovana ihany koa, ny fangatahan’ny ben’ny tanàna ny hamatsian’izy ireo ny cantine scolaire ao amin’ny EPP Amboaroy » hoy tomponandraikitra mitantana ny kaominina.

« Voaresaka nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny famatsiana fitaovana fitarafana ho an’ny maternité Alasora, ny hanoloana ny farafara fanaovana nify (lit dentisterie) ao amin’ny csb 2 ary ny hamatsiana fitaovana ireo mpilalao fanatanjahan-tena eto amin’ny kaominina Alasora » hoy hatrany ny fanazavana.

Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny kaominina sy fampivoarana ny sehatra isan-tskajiny ao an-toerana ny fiaraha-miasa tahaka izao. Marihina moa fa mandritra ny dian’ny ben’ny tanàna any Simandre no nanatanterahana ity fitsidihana ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire