ActualitésTsidika

Fampianarana : Nisitraka fampitaovana enti-mampianatra ireo jamba ny EPP Antsahavory

Nahazo fitaovana entina mampita fahalalana ho an’ireo jamba sy ireo manana olana ara-pahitana ny EPP Antsahavory izay hita ao anatin’ny Kaominina Ambohibao Antehiroka. Izany indrindra no natao mba hahafahana mampitovy lanja ny mpianatra isan-tokony satria ny zon’ny olombelona tsirairay dia mitovy daholo.

« Fitaovana entina mampianatra isan-karazany no nozaraina ho an’ireto mpianatra ireto satria fantatray ny hasarobidin’izany fampianarana izany sy ny tombony entin’izany ho an’ny ankizy tsirairay. Fitaovana didaktika natao manokana ho an’ny ankizy sembana ara-pahitana sy jamba izany noaraina izany toy ny « Ardoise braille, abacus, compas, planche de dessin, papier braille sns », hoy ny avy ao amin’ny Fikambanana Mampitasoa Handicap Madagascar, izay mpamolavoola ny tetik’asa. « Nasiam-panamboarana sy fanavaozana ho afaka hampiasain’ireo mpianatra manana olana ara-pahitana ireo ihany koa ny trano fidiovana », hoy hatrany ny fanazavana.

« Mankasitraka ireo vonona nanampy hatrany satria voalohany aloha dia afaka mianatra ireo ankizy. Mbola notolorana fitaovana ihany koa hahafahany mitovy amin’ny ankizy rehetra. Sarobidy izany fianarana izany ka efa milofo ireo ankizy ireo na dia manana olana aza, miampy izao fitaovana izao dia mbola hiakatra htrany ny fahaizan’izy ireo », hoy ny solontenan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra.

« Ny fianarana no lova tsara indrindra ». Na dia manana olana ny olona iray kanefa mbola afaka mianatra tsara dia ilaina hatrany ny mianatra sy mampitombo fahalalana. Maro ny tombony azo avy amin’ny fahaizana. Ity tetik’asa ity moa dia fiaraha-miasan’ny Fikambanana Mampitasoa Handicap Madagascar – MHM sy ny Association des Étudiants Handicapés de l’Université d’Antananarivo et Ex na ny AEHUTE ary tohanan’ny CBM Global Madagascar ara-bola sy ara-teknika.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire