Fier Mada 2022 : Hanomboka ny 3 aogositra izao ny andiany faha-23
Hetsika iray manome vahana ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ny Fier Mada. Tsenaben’ny tsantsaha mpamokatra sy ireo mpiasa-miasa aminy izany izay eo ambany fiahian’ny praiminisitra.
Ho tontosaina ny 3 hatramin’ny 7 aogositra izao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andriany faha-23 amin’ny hetsika. Hisy ny hetsika ara-koltoraly mandritra ny fanokafana izany. Ny marain’ny 3 aogositra dia hanafana ny hetsika ny tarika Gasy Tsara Midera, hotohizan’ny tarika Rakoto Frah Juniors izany ny tapany hariva. Ny tarika Ejema kosa no handravaka ny hetsika ny 4 aogositra, ny Dahalia Saramba ny 5 aogositra, Mam’Be ny 6 aogositra ary Princio ny 7 aogositra.
Maherin’ny 200 ny trano heva ho hita ao an-toerana. Anisany tombony amin’ny hetsika toy ny Fier Mada ny fanindrahindrana ny vita Malagasy.
Hasina Rasamimanana
