Anjeva : Nitsidika ny fokontany Ampahimasina ny kaominina nandritra ny hetsika « Ben’ny tanàna mitety vohitra »
Tao anatin’ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, izay hataon’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva, nahazo ny anjarany ny avy ao amin’ny fokontany Ampahimasina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Jiro manazava ny tanàna, mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 10 no napetraka manerana ireo vohitra ao anatin’ny fokontany.
« Fampanantenana efa napetraka no fanomezana anjara ny isam-pokotany ao anatin’ny kaominina, nisitraka ny anjarany ihany koa ny tao amin’ny fokontany Ampahimasina, izay misy ny vohitra Antentona, Ankamory, Asabotsy kely, Ampahimasina ary Antsahamalaza. Nisy ny fametrahana ny jiro manazava ny tanàna tao anatin’izany, izay efa fanao ao anatin’ny hetsika, teo ihany koa ny fizarana biskoitra ho an’ny ankizy madinika, ary ny tafa sy dinika tamin’ny fokonolona isam-bohitra » hoy ny ben’ny tanàna an-toerana.
« Efa ela no nindrasana ny anjara amin’ny fahazoana ny jiro tahaka izao ny teto amin’ny fokontany. Anisan’ny mahavelom-bolo ny mponina izao, hiaina anaty hazavana fa ihany koa entina hiadiana amin’ny tsy fahandriam-pahalemana, indrindra indrindra » hoy i Théophile, mponina ao Ampahimasina.
Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny mponina eny amin’ny fokontany ambanivohitra ny fanomezana tahaka izao. Ilaina anefa ny fanentanana sy ny fanaraha-maso ao anatin’izany entina miaro ireo tia kely amin’ny halatra sy ny fikojana ny fananana iombonana.
Manitra Ramanantsoa
