Tsidika

Morondava : Toerana tsizarizary no ipetrahan’ireo mpiadina Baccalauréat

Maro ireo mpianatra izay manala ny fanadinana Baccalauréat ao amin’ny foibem-panadinana ao Mahabo no avy lavitra toy  ny avy any Morondava, Analaiva ary Ankilizato. Nohon’ny alaviran-toerana dia voatery izy ireo nijery trano honenana mandritry ny herinandro izay fe-potoana hanaovana ny fanadinana. Tsy nisy anefa ny trano natokan’ny tompon’andraikitra handraisana azy ireo ka trano zara raha mitafo tsy misy jiro no ipetrahana.

“Miaritra rehefa te ho tafita. Izao hiaraha-mahita izao ny trano honenanay ato, maizina , trano tsy zarizary,fa zara raha misy hatoriana fotsiny. Tsy misy na kidoro aza fa miladina tany avokoa izahay ary mitamba-be ato. Atao izay mampilamina mandritra ny fanadinana  fa zay no hiaretana tahaka izao.”  Hoy ny mpianatra.

Velon-taraina noho izany ireo ray aman-dreny manoloana ny zava-misy ka nanao antso avo ho an’ny tompon’andraikitra. “Miantso anareo tompon’andraikitra mba hijery ny zava-misy fa tsy rariny sy tsy mendrika loatra izao zavatra iainan’ireo ankizy mpanala Bacc ireo izao. Tsy misy filaminana fa trano tsizarizary no ipetrahana kanefa tokony mba hiaina milamina ahafahana miatrika n y fanadianana. Ho an’ity taona ity dia efa naman’ny vita saingy mba mangataka kosa ho an’ny taona manaraka mba hanomanana trano hipetrahana ireo mpiadina avy lavitra.” Hoy i Lisy renim-piankaviana.

Tranga matetika hita tokoa raha vao mihataka ny Renivohitra ny tahaka izao. Avy any Ambanivohitra lavitra ireo mpiadina no miainaga hihazo ny foibem-panadinana. Ao ireo manana ivantanana ao kosa ireo sady tsy misy ivantanana no tsy misy enti-manana hanofana trano ka voatery miaina amin’ny zava-misy.

 Miranto Andrih

Laisser un commentaire