ActualitésSocialTsidika

Manandriana: Hisy ny fiofanana momba ny fiompiana bitro nohatsaraina

Hisy ny fampiofanana momba ny fiompiana bitro nohatsaraina izay ataolotry ny kaominina Manandriana sy ireo mpaiara-miombon’antoka aminy, dia ny “centre de formation agricole Aina, Enfance et Avenir”. Ny alakamisy 27 jolay no hanatanterahana izany ao amin’ny biraon’ny kaominina, araka ny voalaza.

“Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina, ho fampandrosoana sy fampivoarana ny sehatry ny fiompiana sy ny fandraharahana eto an-toerana. Entanina araka izany ny rehetra tsy ho tara amin’ny fisoratana anarana mialoha amin’ity fiofanana ity satria voafetra ny toerana ho an’ireo mpiofana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Efa manomboka mahazo vahana amin’izao fotoana ny fiompiana bitro nohatsaraina ity. Manomboka tian’ny olona ihany koa izany. Azo atao tsara ny mivelona amin’ny fiompiana raha eto amintsika satria azo atao tsar any mandraharahara ao amin’ity sehatra ity” hoy i Francis, mpampiofana momba ny fiompiana.

Efa maro ny tanora misehatra amin’ny fandraharahana sy ny fiompiana amin’izao. Ny fiofanana tahaka izao tokoa dia anisan’ny manosika azy ireo tsikelikely ary manampy amin’ny fanatsarana izany sehatra izany. Ity fiofanana ity anefa marihina fa tsy natao ho an’ny tanora ihany fa misokatra ho an’ny rehetra.

Manitra R.

Laisser un commentaire