SocialTsidika

Lasa mahazo vahana ny ratsy noho ny hamaivan’ny sazy.

Tany tan-dalàna i Madagasikara, tsy misy afa-maina izay manao ratsy ka tsy maintsy faizin’izany lalàna izany. Indraindray anefa toa mafy ny nahazo ny olona voa izay matetika hitondrany takaitra mihitsy fa maivana ny valiny avy amin’ny lalàna avy eo toy ny nahazo an’i Diamondra. Ilay tovovavy 15 taona voaolana lehilahy 31 taona ary nampitondra vohoka azy mihitsy. Nivoaka omaly 23 febroary ny didim-pitsarana nikasika ity raharaha ity ary niaiky avy hatrany ilay mpanolana fa nanao firaisana an-tery tamin’i Diamondra. Nahazo fahafahana vonjy maika anefa i Miora, ilay tovolahy 31 taona, ka namoaka fandrahonana tamin’ny ray aman-drenin’ilay tovovavy. Mitaintaina araka izany izy ireo satria namono biby tsy nahafaty ka sao hifoteran’ny rambony. Mahazo vahana ny ratsy raha toy izany foana ny sazy, tsy mandry fahalemana ny mponina. Iza no tena tompon’andraikitra hiaro ny vahoaka amin’ny loza mety hitranga toy izany ? Tsy hay intsony manko izay hanakinana ny loha amin’izao noho ny fanjakan’ny vola sy fahefana ary ny hery eto amintsika.

Nicole Rafalimananjato

Laisser un commentaire