ActualitésTsidika

Fizahantany : Tafiditra ao anatin’ny toerana 5 voalohany maro mpitsidika i Madagasikara

Niakatra indray ny toeran’ny Madagasikara amin’ny laharana misy ny toerana tsara tsidihina indrindra sy be mpitsidika indrindra ho an’ny taona 2023. Anisan’ny fanararaotra izany filaharana nivoaka izany ka hanomana ireo sehatra rehetra tokony hiasa ao anatiny.

« Ny fahafantaran’ny maro azy dia i Madagasikara no nosy lehibe indrindra fahaefatra. Izany no anisan’ny mahasarika ny mpizahatany aty amintsika ankoatra ireo biby sy zava-maniry tsy manampaharoa ary misy amin’izy ireo izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Omena lanja manokana ny Nosy Manampaho sy Nosy Be amin’ny maha toerana mahasarika mpizahatany maro indrindra azy ireo », hoy ny avy amin’ny fikambanan’ny mpisehatra amin’ny fizahantany.

« Azo atao ny manararaotra mampiakatra ny tolotra rehetra amin’ny resaka fizahantany satria maminavina olona betsaka tsy toy ny tamin’ny taona 2022 isika raha izany no resahana. Manavao ny tolotra ho mendrika ny handray izany olona rehetra izany izao no tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana », hoy ny manam-pahaizana iray amin’ny toe-karena.

Mifototra amin’ny sakafo, ny dia, ny fifandraisana, ny fianarana ary ny fialan-tsasatra no nahafahana mamoaka io filaharana io. Mbola afaka ny mampiakatra izany laharana izany anefa raha samy mandray ny andraikitra tandrify azy avokoa ireo mpisehatra rehetra ao anatiny. Sehatra iray natao hampiakarana ny toe-karena Malagasy ihany koa ity fizahantany ity ka tokony hararaotina ny fotoana toy izao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire