Toe-karena : Tsenaben’ny mpisehatra ara-toekarena maneran-tany eny amin’ny CCI Ivato
Asa-tanana, varotra, fambolena, fiompiana sy ny maro tsy voatanisa fa rehefa mampandroso ny toe-karena Malagasy dia ho hita eny amin’ny CCI Ivato ny 13 ka hatramin’ny faha 16 oktobra izao. Ny hetsika « Salon International des Acteurs Économiques » no tanterahina mandritra izany fotoana izany. Ho hita eny avokoa irey mpandraharaha misehatra amin’ny fampandehanana ny ekonomia eto Madagasikara na ireo avy eto an-toerana na ireo avy any ivelany, ao anatin’izany ireo avy amin’ny Ranomasimbe Indianina, ry zareo avy ao Afrika ary ny avy any Moyen-Orient rehetra any.
« Andiany voalohany ity nokarakaraina ity ary dia efa maherin’ny 200 ny isan’ireo mpisehatra haneho sy hampahalala ny tolotra sy ny vokatra ao amin’izy ireo. Maro ny zavatra ho hita mandritra ny hetsika ankoatran’ny fampirantiana sy ny fanjifana », hoy ny avy ao amin’ny Fédération des Chambres de Commerce et d’Industrie de Madagasikara.
« Tanjona ny hampitombo ny traikefan’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fifaneraserana amin’ireo mpandraharaha avy any ivelany. Mba hahafahan’ny orinasa avy any Ivelany ihany koa ho liana amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa eto an-toerana », hoy ny Minisitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga.
Ankoatra ireo fampirantiana dia hahitana famelabelaran-kevitra sy laobary an-dasy maro eny an-toerana izay hanasana indrindra indrindra ireo tanora vao handraharaha. Ny fandharam-potoana amin’izany moa dia efa hita ao amain’ny pejin’ny « Salon International des Acteurs Économiques ».
Miora Raharisolo
