ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Engineered Arts, orinasa namorona ny « Robot » marani-tsaina indrindra

Orinasa injeniera anglisy mamolavola sy manamboatra « robots » ny Engineered Arts. Ao Cornwall ao Royaume-Uni no ivo-toeran’izy ireo. I Will Jackson kosa no nanorina ny orinasa tamin’ny volana oktobra 2004. Niasa tao amin’ny « Science Museum » tao Londres ny tenany ary nitsiry hevitra hoe mila milina afaka manazava resaka sy hevitra miverimberina am-pitoniana amin’ny vondron’olona.

Efa namolavola « robots » maro ny Engineered Arts. Ny « robot humanoïde » no tena manavanana azy ireo. Anisan’izany « Ai-Da » sy ny « Robothespian» ary ny « Ameca» izay voasokajy ho isan’ny « Robot » marani-tsaina indrindra. Eo ihany koa ny « Envoûteur » sy ny « Socibot » izay endrika tarehin’olona.

Laisser un commentaire