Tsy mahazo mivezivezy eto an-drenivohitra ny « cyclo-pousse » sy ny fitaterana tsy nahazo alalana hitatitra
Nampatsiahy ny mponina ny amin’ny tsy tokony hivezivezen’ny « cyclo-pousse » sy ny fitaterana tsy manana fahazahoan-dalana ny polisy monisipaly sy ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana sy ny fifamoivoizana. Raha tsiahivina dia efa tsy noeken’ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo ny fisian’ny « taxi moto » izay tafiditra ao anatin’ny tsy nahazo alalana ihany koa izany.
« Mety hiteraka loza sy fitohanan’ny fifamoivoizana ny fisian’ny « cyclo-pousse » indrindra ho an’ireo fiara sy ny mpandeha tongotra, koa ho hampiharina avy hatrany ny sazy ho an’ireo tratra toy ny fandoavana lamady sy ny fourrière » hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena. « Mila tolorana vahaolana ireo olona fohanana asa, marina fa tsy ara-dalàna izy ireo fa maninona raha ampianarina ho any amin’ny ara-dalàna satria hampitombo indray ny isan’ny tsy an’asa » hoy i Rollande, « Dia ho aiza iznay izao izahay ? Iza no hanome vola hamelomana ny vady aman-janaka ? Tsy vao maika tsy manara-dalàna raha hanatevin-daharana ny totakely ? » hoy i Solo, mpitarika « cyclo-pousse ».
Tokony hanome vahaolana tokoa ny tompon’andraikitra manoloana ny fanafoanana ny fivezivezen’ny « cyclo-pousse », tombotsoan’ny vahaoka sa tombotsoan’olom-bitsy no tena katsahana ?
Nicole Rafalimananjara
