Malaza ratsy Anosizato amin’ny toerana fitsindromana « héroïne »
Efa maro no mahafantatra fa misy toerana fitsindromana héroïne eny amin’iny manodidina an’Anosizato iny. Tsy hisalasalana koa ny hilazana fa efa mirongatra mihitsy mantsy ny resaka fifohana na fitsindromana zava-mahadomelina mahery vaika tato ho ato zay, ho an’ny teny Anosizato izao dia efa tsikaritry ny polisy mihitsy ny fisian’io toerana io.
Tsy niandry ela fa avy hatrany dia natao ny velam-pandriky ny polisy rehefa naheno ny zav-misy ary hita sy voaporofo aloha fa tena misy tokoa io toerana io « Ankizy 18 sy 19 ary 21 taona no tena tompon’antoka amin’ity rahraha ity, tao an-tranony tao Anosizato Andrefana mihitsy no nahatratrarana azy ireo ka tsy afaka namely intsony satria tratra ambodiomby, heroine miisa 9 sy fitaovana toy ny seringue miisa 7 no mbola tra-tehaka tao aminy ihany koa » hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena.
Tsy ampy fanaraha-maso avy any amin’ny ray aman-dreny matetika ny ankizy, ny fiarahany amin’ny naman-dratsy koa matetika mahatonga azy hanaonao foana, indraindray mantsy matetika aza dia ankizy mbola mpianatra no mahavita zavatra toy izany, ny ditiavam-bola be loatra koa mahatonga ny sainy ho voasarika amin’ny fanaovan-dratsy toy izany ka ny fiaraha-miasan’ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-moninamihintsy izany no ilaina » hoy i Joséphine mpandinika fiaraha-monina.
« Rehefa natao ny famotoarana dia fantatra fa samy mbola manana ny zara asany ko ireto farany satria ny iray mpiantoka ary ny iray ny iray mpivarotra (izany hoe foibe) ary ny iray mpitsindrona fotsiny ihany (client). 3 000 Ar no ivarotan’ireto farany ny iray cocotte ary mbola hakan’ny iray tombony indray izany avy eo. Volabe isan’andro arak’izany no mihodikodina ao amin’izy ireo ary samy manitatra ny sehany avy, fara-fahakeliny folo fatra no lanin’ny mpitsondrona iray, efa manana mpanjifa maromaro sady raikitra izy ireo anefa ka miandry fotsiny » hoy hatrany ny fanazavan’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena.
Na dia tratra aza ny tamba-jotran’izy ireo dia mila trandrahina sy hatao haza lambo koa ny mpanjifa ao aminy, ary indrindra ny fototra ahazoan’izy ireo izany zava-mahadomelina izany.
Ny tanora amin’izao mihitsy no tena efa miha-miroso amin’ny ditra, tsy amin’ny resaka héroïne ihany fa vao tsy ela zao nisy tamba-jotran’ankizy mpivarotra ireny kapila mangirana mamoha fady ireny tany Ambatolampy ary tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana, zaza tsy ampy taona ny ankabeazany ary ity mitsindrona heroine ity jkoa dia ahitana ankizy.
Lovasoa Tojonirina
