Inona no toe-tsaina mila ananan’ny mpandraharaha iray ?
Tsy natao velively ho an’ny olona kamo ny sehatry ny fandraharahana satria mila atontona ao anatin’io avokoa ny herin-tsaina, ny herim-batana ary indrindra ny vola. Mila manana fikirizana ny mpandraharaha iray ka tsy matahotra ny hanenina fa mandroso hatrany.
Hoy ny mpandinika iray mikasika ny fandraharahana : « Ny fandraharahana dia fianarana mitantana ny zava-baovao sy ny tsy ampoizina », tsy mila matahotra hanao hadisoana noho izany satria tsy maintsy hisy vokany foana ny zavatra natao.
« Izaho nanamboatra mangahazo karepoka, ary efa in-120 aho no nanao fanandramana vao nety ilay izy » hoy i Faly Rafieferana, mpandraharaha. Isan’ny toe-tsaina mila ananan’ny mpandraharaha ihany koa ny faharetana, tsy tokony hijerena ora ny asa fa ny vokatra no tena ilaina indrindra ny fahombiazana. « Tsy tahaka ny lalao olympika akory ka hoe ny fandraisana anjara no zava-dehibe fa kosa ny fandresena no tena ilaina na mbola aman-taonany maro aza vao ho tratra ny tanjona » hoy i Héllarion, mpandraharaha Malagasy.
Tokony hahay hanavaka sy hametraka ny laharam-pahamehana ihany koa ny rehetra mba hahafahana mandamina ny tanjona ka hisy ny fandraisana andraikitra. Tsy moramora akory ny fandraharahana ka tokony hanisy fandinihana foana vao manao zavatra iray. Hoy ny Filozofa iray hoe « Aleo miroso amin’ny fisalasalana toy izay amin’ny fahatokisan-tena be loatra ». Ilaina noho izany ny fihemorana kely handinihana ny hadisoana efa natao mba tsy hiverenana amin’iny intsony satria raha mitovy foana ny zavatra atao ka tsy misy fiovana dia hitovy manaraka izany ihany koa ny vokatra azo.
Na izany aza anefa, aoka tsy hametraka ny hafa ho fankan-tahaka satria samy manana ny fahombiazany sy ny tanjony ny tsirairay, ilaina ihany koa ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana ny mamorona zava-baovao fa tsy izay efa nataon’ny olona akory no ho entina indray. Tsy misy ny « recette » ao anatin’ny fandraharahana fa kosa isika ihany no tokony hamorona ny antsika manokana.
Nicole Rafalimananjara
