ActualitésTsidika

Nosy Be : Mitaky ny hanokafana ny sisintany ireo mpisehatra amin’ny fizahantany

Nanatanteraka fihaonana manokana tao amin’ny Kianja Ambodivoanio, Nosy Be Hell Ville ny pisehatra amin’ny fizahantany no ny 8 oktobra 2021. Mitaky ny mba hanokafana indray ny sisintany satria io no fitadiava ataon’izy ireo ka mahatsiaro very fihinana mihitsy rehefa nandray fanapahan-kevitra ny fitondrana ny amin’ny fanidiana ny sisintany.

Tsiahivina mantsy fa nandray fanapahan-kevitra ny fitondrana ny amin’ny fanidiana ny sisin-tany raha vao nirongatra be ilay valan’aretina Delta tany ivelany mba ho fiarovana ny ain’ny Malagasy mpiray Tanindrazana. Kanefa dia izao mitaky ny hanokafana azy izao indray ireto mpisehatra amin’ny fizahantany ireto. Tsy afenina tokoa fa maro no sahirana manoloana ity tranga covid-19 ity; ary tsy vitsy ireo very asa ka anisan’izany ireto mpanao fitakiana ireto.

« Sokafy io sisintany io fa mijaly ny vahoaka eh ! » hoy Elinah, mpisera dia. I Feno kosa, manana Havana matin’ny coronavirus, dia nitsipaka ny amin’ny fangatahan’ireo mpisera dia : « tsy ianareo irery akory no Malagasy sahirana sy tsy manan-ko ho atokona amin’izao fotoana izao ; aoka ianareo tsy ho tia tena fa tsy adala akory ny fanjakana, tombotsoa iombonana no tadiaviny ho antsika ». Ny hany nambaran’i Dr Jean Claude Ratsimivony dia ny hoe « mila mailo ny amin’ny fidiran’ny olona eto isika ».

Nanaitra ny minisitera mpiahy azy ireo mba hamaly ny fangatahana izao fitakiana izao, dia ny daty sy ny vaovao ny amin’ny fisokafan’ny sisintany izany. Anisan’ny mampiodina ny firenena iray tokoa ny fisian’ny mpizahantany, kanefa ny aretina covid-19 sy Delta hatramin’izao tsy foana tanteraka, eo ihany koa ny fitomboan’ny isa izay tratran’ity aretina ity avy any ivelany. Manomboka eto dia an’ny fanjakana ny famaliana ny amin’ny fangatahan’ireto mpisehatra amin’ny fizahantany ireto.

Seheno Randrianirina

Laisser un commentaire