Niakatra fampanoavana omaly ny Pr Auberlin Rakotoniaina sy Dr Jean-Marie Rasamimanana
Noapangaina ho mpiray tsikombakomba amin’ny fampandosirana voafonja izay nanaraka fitsaboana tao amin’ny hopitalim-panjakana hjra izy miahalahy ireto. Ny zoma lasa teo no natao fanadihadihana teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireto, ary efatra amby efapolo ora taty aoriana no nivaoka ka izao niakatra fampanoavana izao. Niakatra fampanoavana ihany koa ireo olona rehetra voarohirohy manoloana izany fanampiana ny voafonja hitsaoka izany.
Nanatanteraka fitokonana izay mitaky ny hamohahana ireo manany moa ireo mpitsabo teo amin’ny hopitaly hjra vantany vao nandre izayy fisamborana izany ny zoma tolak’andro lasa teo. Fitokonana izany niaro fandrahonana, nambarany tamin’izany fa tsy handray hafa tsy ireo marary mila fitsaboana maika izy ireto raha tsy mivaoka ireo namany. « Mitsabo ihany no anjaranay, andraikitr’ireo mpiasan’ny fonja sy ireo olona ao amin’ny fitsarana no miandry no voafanja ao aminy. An-jatony ireo marary sahaninay ato amin’ny hopitaly ka noho izany tsy izahay mihitsy no hanara-maso ireo gadra manaraka fitsaboana » hoy i Sarindra, mpianatra ho mpitsabo. « Nakaiza ireo olona efatra izay voalaza fa niandry ilay voafonja tao amin’ny hopitaly tamin’izany adnro izany ? Raha samy nanaja tsara ny andraikitra izay nankinina tamin’izy ireo tsy tonga tamin’izao fikorotanana izao ny hopitaly. Ianareo izay zatra manao zavatra tsy rariny, zatra mandeha ambony kolikoly no mitarika olana, hany ka ireo mararinay izay mila fitsaboana no ataon’nireo mpitsabo ambanin-javatra » hoy i Haja, olona manaraka marary ao amin’ny hopitaly. « Tsy misy olona ambony lalàna izany, na inona mety ho anjara asanao amin’ny fiainana andavan’andro, rehefa mandika lalàna tsy maintsy manèfa sazy. Izany toe-tsaina izany no mbola anisan’ireo sakana amin’ny fampandrosoana eto amin-tsika, vao misy zavatra tsy raha ny eritreretina, avy dia ny fitokonana no tonga ao an-tsaina voalohany, adino ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana » hoy i Mirindra, mpandinika ny fiaraha-monina.
« Tsy mahazo mivoaka ny efitra misy azy ny voafonja iray manaraka fitsaboana, izay no lalàna. Raha tsy hita izy mandritra ny fotoana hanaovana ny fana-rahamaso dia ambara fa efa nitsiry tao an-tsaina ny fanandramana ny handositra. Olona nalaina havokavoka iray ve dia mbola hifoka sigara eny ivelan’ny hopitaly ihany ? » hoy i Posper, mpahay lalàna.
Asan’ireo mpitsabo ny mihahy sy manome fitsaboana ho an’ireo marary, tsy tokony sakana amin’ny fampiarana ny asan’ny mpitsabo ny fanaovan’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny fitsarana ny asany. Asa roa izay tsy mifandray ireo asa ireo, samy manana ny hanitra ho azy, misy lalàna mifehy azy avokoa ny asa rehetra fa tsy izay rehetra tiana atao dia afaka tanterahina avokoa. Ain’olona maro no eo an-tanan’ireo mpitsabo, tsy manana fahefana handà tsy handray ny marary ny mpitsabo na inona mety ho anton’izany. Faritra takiana fatratra ny hanajana ny filaminana sy fahanginana ny hopitaly saingy ireo olona izay nametraka izany lamina izany no mandika azy voalohany, vondron’olona izany ambara na manam-pahalalana ombam-pahendrena.
Ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka sa ho an’ireo mpitarika sy ireo lehiben’ny hopitaly no hanakaramaina ireo mpitsabo ?
Haingotiana Andriamihaja
