SocialTsidika

Fizahan-tany any Mahajanga : Mijaly rano ireo hotely lehibe

Mikorontana ny fialantsasatry ireo mpizahan-tany sy mpiala sasatra any Mahajanga efa andro maromaro izay. Mijaly rano ireo hotely lehibe any antoerana. Ny fitohizan’ny olana ara-teknika eo amin’ny famatsiana rano ny Jirama no mampiteraka izany olana hoan’ireo Hotely lehibe sy mpandraharaha misehatra eo amin’ny fizahantany.Voakasik’izany fahatapahan’ny rano izany ny manodidina an’i Mahajanga-be, La Corniche, Port Schneider, Antsahavaky, Ambalanomby ao amin’ny fokontany Tsararano-ambony, ary manodidina ny Hopitaly manara-penitra Mahavoky-atsimo.

« Tao aorian’ny fahasimban’ny fantsona ao amin’ny fokontany Ambondrona no efa tapaka ny rano tao amin’iny faritra iny nanomboka ny Alatsinainy 09 Aogositra 2021. Efa eo am-panamboarana izao » hoy ny fanazavana nentin’ny teknisianina ao amin’ny Jirama. Tsy mampilamina ireo mpandraharaha sy hotely any antoerana anefa izany. « Noho ny fahatapatapahan’ny rano matetika dia tsy afaka mandro ny mpanjifa eto amin’ny hotelinay raha tsy manomboka amin’ny misasakalina. Dia miverina tapaka indray izany manomboka amin’ny efatra maraina » hoy i Laurent, tompon’andraikitra ny hotely iray ao Mahavoky Atsimo. Ny ankamaroan’ireo hotely moa dia efa nametraka vahaolana vonjimaika hoan’ireo mpanjifa toy ny fampiasana ny « tanker » sy ny fitaovana maro azo hitehirizana rano. Manao antso avo ao amin’ny Jirama ireo mpitantana hotely ny hitadiavan’izy ireo vahaolana ahafahana mamatsy rano azy ireo.

Misy fiantraikany eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany ny olana tahak’izao.Ankoatran’ny fisian’ny valanaretina covid-19 dia mbola ho hahenan’ny olana ara-teknika toy izao ve ny mpizahantany ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire