Alasora : Ho hentitra hatrany ny fitandroana ny filaminana
Lehilahy iray tsy manana karatra, sady mamo no mbola mirenireny amin’ny alina, no notazomina tao amin’ny fonjakelin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Alasora ka nanaovana fanadihadihana. Tafiditra hatrany amin’by fitandroana ny filaminana izany, indrindra amin’ny alina.
« Mitohy hatrany ny fisafoana ataon’ireo zandary sy ny polisy ato amin’ny Kaominina Alasora ho fitandroana ny vahoaka sy ny fananany » hoy ireo mpitandro filaminana. « Mila jerena akaiky ihany koa ny any anelakelan-trano sy ny toerana feno fasana fa amin’ireny no tena mamely ny mpanendaka » hoy i Firmin, mponina ao Alasora. « Ho ezahina ny hametrahana jiro manazava ny elakelan-trano raha ny tao Mahatsinjo sy Ankady, Alatsinainy ary ny tany Antanety izao no efa nahazo ny anjarany tamin’izay jiro izay ary hitohy amin’ny Fokontany hafa ny fametrahana izany jiro izany » hoy ny ben’ny tanàna Alasora.
Mampitaraina ny mponina tokoa ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny faritra Avaradrano iny tato ho ato. Efa betsaka ny fepetra noraisina, mety ho voafehy ihany ve izany ?
Nicole Rafalimananjara
