Ambohimangakely : Tafapetraka ny vato fototra hanamboarana ny tetezana mampitohy an’i Tsarahasina sy Betsizaraina
Ny alahady 02 aprily teo no nametrahana ny vato fototra hanamboarana ny tetezana, mampitohy ny fokontany Tsarahasina sy Betsizaraina, ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ireo mpiara-miasa aminy. Hanamorana ny fivezivezen’ny mponina, indrindra ireo mpianatra no anton’izany fanamboarana izany, araka ny voalaza.
« Ao anatin’ny ezaka izay ataon’ny kaominina dia ny hanamora ny fifaneraserana sy ny fivezivezen’ny mponina ety an-toerana no nahatonga izao fanamboarana izao. Natomboka avy hatrany ny asa ary ho vitaina anatin’ny fotoana haingana izany fanamboarana izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Efa an-taonany maro no niandrasana ny fanamboarana tetezana mampitohy ireo fokontany roa tonta izao. Maro ireo mponina mifamezivezy eto, indrindra ireo mpianatra, manano sarotra ny fiampitana eto rehefa fahavaratra ka dia hisaorana ny tomponandraikitra ny fandraisana izao fepetra izao » hoy i Tanjona, mponina ao Betsizaraina.
Antoky ny fampivoarana ny fananana foto-drafitr’asa mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka eny ifotony. Ny lalana sy ny tetezana tokoa izay tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina, indrindra ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Manitra R.
