ActualitésTsidika

Tera-tany Malagasy : Inona no ataon’ny Malagasy any Koweit ?

Malagasy miisa 118, izay tsy manana taratasy ara-dalana ao Koweit, no nahazo taratasy avy amin’ny Fanjakana Malagasy mba hodiana an-tanindrazana. Marihina fa efa nampidirin’ny Fanjakana tany an-toerana am-ponja izy ireo, ka izao afaka nody izao ihany.

« Maro ireo Malagasy vehivavy no lasa an-tsokosoko tany an-toerana, maro ireo nijaly ary tsy vitsy no namoy ny ainy tany an-toerana » hoy ny avy eo amin’ny Fitondrana. « Tsy mahamaika izany makany an-dafy izany fa eto ihany isika dia afaka ny hitady vola ho antsika raha tena mahay, efa ho any an-tanin’olona ihany kanefa mbola tsy ara-dalàna, tsy vao maika tena very » hoy i Onja, tanora mpandraharaha.

« Efa fanintelony izao no nampodiana ireo teratany malagasy nitaraina nijaly tany Koweit tao anatin’ny roa taona, ny fanjakana no tsy maintsy malahelo kanefa sitrapon’izy ireo no te handeha hivoaka any fa tsy noterena » hoy i Hoby, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Tsy mahamaika tokoa izany ho any an-tanin’olona tsy fantatra any fa hafa ihany ny eto an-tanindrazana misy ny havana sy ny mpiray tanindrazana.

Tonga any kanefa betsaka ny mijaly sy ataon’ny olona tsinotsinona fotsiny hany ka very faty ny sasany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire