SocialTsidika

Avaradrano : Nitadiavam-bahoalana ny aretin’omby

Miparitaka ato Avaradrano ny aretin’omby « hémoparasites », izay nandripaka ombin’olona maro ety an-toerana. Nandray andraikitra nanoloana izany ireo mpitondra aty an-toerana amin’ny famahana ny olana.

« Efa manomboka ny fanaparitahana ny fanafody, ary mandray andraikitra tanteraka ny tompon’andraikitry ny fiompiana tao aorian’ny antso nataontsika vahoaka » hoy ny Solombavambahoaka, Dr Naina Batou. « Tena isaorana indrindra ny tompon’andraiki-panjakana tamin’ny fitadiavam-bahaolana fa tena mijaly izahay vahoaka satria ritra ny hany mba fanananakelinay » hoy i Rija, mponina ao Ankadinandriana. « Mampalahelo tokoa ny tantsaha mpiompy rehefa tojo aretina tahaka izao satria tsy manana antenaina hafa-tsy ny fiompiana izy ireo ka tena mila omen-tanana be mihitsy hiarovana ny fananany » hoy i Lanto, mpianatra Agronomie eny Ankatso.

Vahaolana haingana tokoa no tena ilain’ny mponina aty satria ny foto-pivelomany mihitsy no voakasika. Tsy manana ianteherana tahaka ny mpandray vola isan’andro tokoa mantsy ireo tantsaha ka mila ampiana amin’izao tranga mahazo ny ombiny izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire