Fifamoivoizana : Vahaolana ve ny « transport par câble » ?
Nankatoavin’ireo solombavambahoaka ny 16 desambra teo ny findramam-bola mitentina 151 tapitrisa Euros (680 000 tapitrisa Ar) hanatanterahana ny tetik’asa « transport par câble ». Izany dia ao amin’ny volavolan-dalana laharana faha-023/2021 sy laharana faha-024 tamin’ny 15 desambra 2021 momba ny findramam-bola entina mamatsy ny tetikasa « transport par câble » na « teleferika » eto Antananarivo.
« 24 volana no fe-potoana hanatanterahana ny tetikasa, ka ny orinasa Colas sy Poma no hanao azy, mitentina 151 tapitrisa Euros ny teti-bidin’ny tetikasa » hoy ny tompon’andraikitra. « Ilaina tokoa ny zava-baovao mba hisian’ny tena fandrosoana eto amintsika. irariana mba tena hahasoa ny firenena tokoa iznay » hoy ny solombavambahoaka iray.
« Raha mora sy takatry ny vahoaka moa ilay izy ka hanao inona satria sady mampihena ny fahasahiranana amin’ny fisisihana bus ihany koa no mbola hahatongavana aloha ihany » hoy i Lanto, mponina eny Analakely.
Marihina fa 14 taona ny fe-potoana hamerenam-bola ka ny fanjakana Malagasy no hamerina azy. Vahaolana ve ity fitaterana an-tari-by ity? Tsy manisy olana ve ny fampibabena trosa ny taranaka any aoriana ?
Nicole Rafalimananjara
