Apollo 21 : Olona miisa enina no voaheloka, nafahana avokoa ny sisa hafa
Nivoaka androany 17 desambra 2021 ny valin’ny fitsarana mahakasika ny raharaha Appollo 21. Fikasakana hifofo ny ain’ny filoham-pirenena Malagasy io raharaha io.
Nahazo sazy 20 taona an-tranomaizina, sazy mihatra, i Rafanoharana Paul, izay voalaza fa atidoha nikotrika ity famonoana ny filoha ity. 10 taona avy ny an’i Philippe Marc Francois sy Razafindrakoto, mpiray tsikombakomba taminy, ary 5 taona an-tranomaizina ho an’i Andrianandrianina Voahanginomenjanahary Carolle. Sazy mihantona 5 taona kosa no omena an’i Sareraka sy Ramahatra Victor. Noafahana noho ny fisalasalana i Brigitte Mroczek sy ny ekipan’i François Philippe ary ireo voampanga hafa toy ireo mpitandro filaminana.
« Tsy ekena ny didy navoakan’ny tribonaly mahakasika ity raharaha ity, hampiakatra ny raharaha izahay » hoy i Maître Razafinjatovo Willy, mpisolovava ny voaheloka. « Fitsarana madio, tsy mitanila ary manaraka ny rariny sy ny hitsiny no tena ilaina amin’ity raharaha ity, tokony hita taratra eto amintsika ny toy izany mba hisian’ny tena famapndrosoana marina » hoy i Dina, mpianatra ao amin’ny FDSP Ankatso.
Marihina fa miisa 20 ireo voarohirohy fa nisaringotra tamin’ity raharaha ity. Ny enina tamin’izy ireo no hitan’ny fitsarana fa meloka raha toa ka noafahana ny sisa hafa. Hita fa tsy afa-po anefa ieo mpisolo vava ny voaheloka, inona no mety hiseho ?
Nicole Rafalimananjara
