Tontolo iainana : Tratra ireo mpanimba ala tao Manombo
Lehilahy iray no voampanga ho tompon’antoka tamin’ny doro ala nitranga tao amin’ny Faritra arovan’i Manombo. Voaheloka am-ponja 10 taona ity lehilahy, ary mandoa onitra 70 tapitrisa ariary.
« Heloka eo anatrehan’ny lalàna ny fanimbana ny tontolo iainana, ary mbola mitazona ny fampiharana ny « tolérance zéro » hatrany isika manoloana ireo izay mandika ny lalàna » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana. « Ny sasany no mandoro ala dia isika rehetra no hizaka ny vokany eo amin’ny tontolo iainana ka tena tokony tsy asiana indra fo mihitsy ireo tratra fa sady ho anatra ho an’ny hafa izany » hoy i Hillarion, mponina eto an-drenivohitra.
« Mbola misy olona tsy tonga saina foana any ho any fa ny tontolo maitso amin’ny ala no vahaolana maharitra ho antsika sy ny taranaka any aoriana » hoy i Felana, manam-pahaizana mikasika ny tontolo iainana.
Tsy ekena, ary enjehin’ny lalana, tsy asiana indra fo, ny fandorana sy ny fanimbana ny ala izay antoky ny hoavy. Tsy misy ho afa-maina izay manao ratsy. Izany indrindra no ilàna ny fanampiana avy amin’ny vahoaka amin’ny fanoroana ireny mpanimba ala ireny.
Nicole Rafalimananjara
