ActualitésTatitra

Pérou : Karohina fatratra ilahy tovolahy nandoro velona an’i Katherine Gomez

Nanaitra olona maro ny fahafatesan’i Katherine Gomez, tovovavy 18 taona. Ny sabotsy 18 martsa teo no niseho ity tranga ity. Nandendeha tao Lima i Katherine Gomez no nanatona azy tampoka ny olo-tiany taloha. Notondrahan’io lehilahy io ny lasantsy izy ary nodorany teny an-dalàna talohan’ny nitsoahany.

Niezaka namono ny afo avy hatrany ireo mpandalo saingy nandrapaha maty ny afo dia efa 60% amin’ny vatan’ilay tovovavy no kila. Nihezaka namonjy an’i Katherine Gomez kosa ireo mpitsabo saingy namoy ny ainy ny zoma lasa teo noho ny hay nahazo azy izy.

Dimy andro taorian’ny nisehoan’ny tranga tao Lima vao nivoaka ny didy fampisamborana an’ilay nahavanon-doza. Mampanano sarotra ny asan’ny ireo mpanadiady nefa izany fahatarana izany raha ny fanazavana. Nanam-potoana nitsoahana ny firenena mantsy ilay lehilahy antsoina hoe Sergio Tarache Parra. Manoloana izany dia nirotsaka an-tsehatra ny minisitry ny atitany ao Pérou ary hanome 12 000 Euros izay mahita io lehilahy io.

Laisser un commentaire