SocialTatitra

Hong Kong : Zazalahy 16 taona hamita sazy enim-bolana.

Tohin’ny hetsi-panoherana tany Hong-kong, niakatra fitsarana ny raharaha ny alarobia 3 martsa. Raha tsiahivina, fandoroana trano no naha voasaringotra ity zazalahy ity. Ankizy izay zandriny indrindra tamin’ireo nandray anjara tamin’ilay hetsika ny taona 2019 raha vao 14 taona monja izy tamin’izany. Araka ny tolo-kevitra azon’ny fitsarana tamin’ny mpandraharahan’ny fonja, tapaka fa ho ampidirina fonja manokana ity zazalahy ity. Fanagiazana any amin’ny fonjan’ireo tanora mpanao heloka iray hatramin’ny enim-bolana no sazy nomena azy. Miankina amin’ny mpandraharahan’ny fonja anefa ny fanatanterahany ny saziny. Nanambara ny mpitsara iray tany an- toerana, Ernest Lin, fa “ tokony asiana fifandanjana eo amin’ny fiarovana sy fanampiana ireo tanora voaheloka ». Miisa 47 ireo olona efa voapanga, izay tarehi-marika goavam-be tamin’ny fihetsiketsehana tao Hong-Kong. Efa maherin’ny iray alina ihany koa no nosamborina tamin’io fihetsehana lehibe naharitra enim-bolana io ka mpianatra no maro an’isa tamin’izy ireo.

Laisser un commentaire