ActualitésTatitra

France : Nanao diabe ho fanomezam-boninahitra ireo mpirahalahy nodoran-drainy velona ny mponin’i Pas-de-Calais

Raha tsihivina dia raim-pianakaviana iray no nisy nahita nandoro ny fiarany tao Rue du Courant d’eau tao Vaudricourt ny 14 martsa teo. Niantso ny manam-pahefana ireo nahita ny tranga manoloana izany.Rehefa tonga teny an-toerana ireo manam-pahefana ireo dia nahita lehilahy may mbola nahatsiaro tena, tokony teo amin’ny folo metatra miala ny fiara nirehitra teo izy ireo. Tao anatyfiara may kosa dia nahitana fatin-jazalahy kely roa antsoina hoe César, 7 taona ary Achille, 4 taona izay zanak’io lehilahy io ihany.Hitondra azy roa lahy tany an-tsekoly no niala tao amin’ny trano fonenany raha ny fantatra saingy izao nodorany velona izao ny zazany. Nilaza ny renin’izy fa natahotra ho azy izy saingy tsy nihevitra fa hamela ny zanany io rain’izy roa lahy io. Manoloana io tranga io naneho ny halaelony sy ny fiombonany tamin’ny lalan’ny diabe ny mponina.

Laisser un commentaire